Fifamoivoizana

Polisy misahana ny fifamoivoizana Miofana mandritra ny 4 andro eny Antanimora


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Manaraka fiofanana manokana eny Antanimora hanatevenana ny fahaiza-manaon’izy ireo nanomboka omaly 12 martsa ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra.

 

 

 

 163 ireo mpandray anjara ary ireo mpampiofana avy ao amin’ny DFCR  (Direction de la Formation Continue et de la Recherche) sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Polisim-pirenena no misahana izany.Lafin-kevitra maro no ho voakasik’ity fampiofanana ity : fampahatsiahivana ireo andraikitry ny Polisy misahana ny fifamoivoizana , fampahatsiahivana ireo soatoavin’ny Polisim-pirenena Malagasy , fandalinana ny « Code de la route » na ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fampahatsiahivana ireo fihetsika ara-dalàna rehetra amin’ny fandrindràna ny fifamoivoizana  ary fanentanana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly.Haharitra 4 andro izao fampiofanana izao .

Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT