Fifamoivoizana

Peugeot 405 tsy nisy taratasy Nifaoka fiara telo teny Imerintsiatosika


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Fiara Peugeot 405 iray tsy misy taratasy hoy ireo nanatri-maso omaly no fantatra fa nifaoka fiara miisa 3 teny amin’iny lalana miazo an’Imerintsiatosika iny.

Raha araka ny fantatra dia fiara avy namonjy mariazy teny Imerikiasina ireo lasibatra ireo. Olona iray vokatr’izany no fantatra fa naratra raha nahitana fahasimbana avokoa ireo fiara miisa telo lasibatra ireo sy ilay fiara Peugeot. Tsy nisy ny aina nafoy na izany aza. Nambaran’ireo nanatri-maso hatrany moa fa karazan’olona nanana olana ny mpamilin’ity fiara Peugeot 405 ity. Mila mitandrina hatrany araka izany manoloana ny tranga tahaka itony. Na mitandrina aza mantsy ny tena ka tsy mitandrina ny hafa dia zava-poana ihany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo fiara lasibatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT