Fifamoivoizana

«Permis de conduire » sy « Carte grise » Biométrique Nitarina indray ny fe-potoana hanamboarana azy


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Nahemotra amin’ny daty manaraka indray raha tokony hifarana amin’ny 31 desambra izao ny fe-potoana hahafahana mamadika ny karatra fampiasa teo aloha ho biometrika, araka ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny atitany omaly tetsy amin’ny Centre Immatriculateur Ambohidahy.

Ny « Permis de conduire » sy ny « carte grise » no voakasik’izany. Ny antony dia satria herinandro izay vao niverina niasa ara-dalàna indray ny CIM etsy Ambohidahy rehefa niato nandritra ny volana vitsivitsy noho ny fahataperan’ny taratasy sy ny fahasimban’ny milina. Ny 35%-n’ny olona tokony hamadika ny taratasiny sisa no tsy nahavita, ka any amin’ny faritany ny ankamaroan’izy ireo. Afaka manatona avy hatrany ny biraon’ny minisiteran’ny atitany any amin’ny faritra misy azy ireo hanolo ny « permis de conduire » sy ny « carte grise », hoy ny fanazavana omaly. Etsy amin’ny CIM Ambohidahy kosa ny an’ireo mponina eto Antananarivo. Dimy andro farafahatarany dia vita ny « permis de conduire » sy « carte grise » biométrique. Tsara kokoa raha manova dieny izao fa tsy miandry amin’ny ora farany mba hampisosa tsara ny asa, hoy hatrany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny atitany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT