Fifamoivoizana

Pastera Heritiana « Omeo andraikitra ny kaominina hanarina ireo lalana simba »


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Tena betsaka ireo lalana simba eto amintsika. Ankoatra ny eto an-tanàn-dehibe dia tsy lazaina intsony ny any amin’ny lalam-pirenena rehetra any, antony nampigrevy ireo fiara lehibe mpitatitra entana tany amin’iny lalam-pirenena

faharoa iny. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala ka nambarany fa tokony ho vahaolana hahafahana manarina ireny lalana simba ireny vonjimaika aloha indrindra fa ireo mbola kelikely mba tsy hihitatrabe ny fanomezana andraikitra ny kaominina eny ifotony. Tsy ilana volabe angamba izany hoy isy fa avy hatrany dia hatao rarivato izay simba. Ny kaominina no tohanan’ny fanjakana amin’izay fotoana izay hoy izy ka sady hahazo asa ireo tanora ao amin’ilay toerana no ho vita ihany koa ny lalana. Notsiahiviny mantsy fa tena lalan-dran’ny firenena ny lalana. Rehefa ny lalana no simba hoy izy dia tsy misy zava-banona intsony. Sady manjaka mantsy ny tsy fandriampahalemana no lany fotoana eny am-pandehanana ihany koa ny olona ankoatra ny fahapotehan’ny fitaovam-pitaterana toy ny fiara. Tena miaina sy mahita izany ny tenako hoy pastera Heritiana indrindra amin’izao fandehanako mitety faritra matetika izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT