Fifamoivoizana

Pastera Heritiana « Mety ho fanairana na kapoka hataon’Andriamanitra izao »


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Ankoatra ny maha-loza voajanahary azy dia mety ho fanairan’Andriamanitra ny olona mba hitodika sy hivavaka Aminy ihany koa ny fisian’ny rivo-doza mandalo eto amin’ny firenena tahaka izao raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala.

Ny rivo-doza mantsy hoy izy dia mandalo fa ny zavatra entiny dia faharavana, hanoanana, fahantrana…eo amin’ny faritra na firenena izay lalovany antony tena tokony hitodihan’ny tsirairay amin’Andriamanitra ka hangatahana ny famindrampony. Mety ho kapoka ihany koa anefa ny rivo-doza hoy hatrany ity mpanompon’Andriamanitra ity ka tsy misy afa-tsy ny vavaka ihany no tena vahaolana mahomby. Miantso ny rehetra mba hivavaka sy hifona amin’Andriamanitra ho an’ny firenena Malagasy araka izany Pastera Heritiana amin’izao fandalovan’ny rivo-doza Emnati eto amintsika izao izay fantatra fa mahery sy lehibe lavitra noho ilay rivo-doza Batsirai. Ho an’ny fiangonana Vahao ny oloko izay tarihiny manokana dia fantatra fa vavaka mafy no tena hasandratr’izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao mba ho raha eny am-pandehanana izany hilaminan’ny mpiray tanindrazana.
Pati
Legende : Tsy mitsahatra ny mivavaka ho an’ny firenena ny fiangonana Vahao ny oloko, tarihin’ny pastera Heritiana Randriarimalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT