Fifamoivoizana

Paska nosembanin-drahona 6 no maty navadiky ny lakana tany Betafo


  • Talata 19 Aprily 2022

Nosembanin-drahona ny alatsinain'ny paska tany Betafo omaly. Nisehoana loza mantsy tao amin'ny farihin'i Tatamarinana.

Lakana nitondra mpitsangatsangana fa fety ny andro no tra-doza. Tena nanao taingim-be na "surcharge" ny mpanamory koa dia nihilana ny lakana izay tsy nisy lisitr'ireo olona nandeha, raha ny fanamarihana azo tamin'ny manampahefana. Rehefa natao ny fikarohana dia olona16 no indray fefika. Zaza 2 no namoy ny ainy, hita faty ny tolakandro, ary niampy olona roa hafa ny takariva. Efa nadiva ho alina mihitsy kosa no hita ny razana 2 farany, ka nampiakatra ny isan’ny namoy ny ainy ho 6. Marihana fa isan’ny namoy ny ainy ny mpitondra ny lakana, ary tahaka izany ihany koa ny zana-drahalahiny. 10 kosa ireo avotra soamantsara, nalefa notsaboina ao amin' ny hopitalin'i Betafo avy hatrany ireo izay tena mila vonjy. Matetika no isehoana loza tahaka izao eny amin’ny toeram-pitsangantsanganana ahitana rano, ka tokony hanao ireny « gilet de sauvetage » na akanjo tsy mampiletika ireny hatrany ny mpandeha sy ny mpanamory ny lakana mba ho fiarovana ny ain’olona, ary tokony halavirina ny fanaovana taingim-be.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT