Fifamoivoizana

Paska ieren-doza Zandary 1.315 no hahetsika


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Manakaiky ity ny fetin`ny paska ary ny fenitra dia ny hoe : “paska ieren-doza”. Hetsika efa fanao isan-taona ihany ity, mitovy amin'ny Paska ieren-doza hatramin'izay.

 Miandrandra ireo mpitandro ny filaminana ireo ny vahoaka, indrindra fa amin'ny fifadiana zava-pisotro mahamamo eo ambony familiana, ny hafainganam-pandeha mafy loatra, ny milomano raha avy nandray zava-pisotro mahamamo ary ny fanaraha-maso akaiky ny ankizy. Mikasika ny fankalazana ny fetin’ny Paska dia zandary miisa 1.315 no hahetsika ao anatin’ilay fenitra Paska ieren-doza ary 850 ho an`ny faritra Analamanga araka ny fanazavan`ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, izay mitondra ny fibaikoana sy fitantanana ny CIRGN. Na eo amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna sy ny manodidina na amin’ny fanampiana ireo fiara eny an-dalambe dia vonona avokoa ireo zandary hihetsika. Tsy  dia ny hisava taratasin’ny fiara loatra no tena hataon’ireo zandary ireo fa ny handrindra ny fifamoivoizana sy hampandry fahalemana ny tany mandritra ny fety ary ny hanampy ireo manana fahasahiranana eny an-dalana. Notsiahivin`ny lehiben`ny CIRGN ihany koa fa tokony hizotra am-pilaminana ny amin`ny fanateram-boninkazo ny alakamisy 29 martsa ho avy izao.   Isan-taona, toerana roa no hametrahana ireo fehezam-boninkazo dia ny etsy amin’ny tsangambaton`ny 29 martsa 1947 Ambohijatovo sy etsy Mausolee manomboka amin`ny 9 ora maraina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT