Fifamoivoizana

Parking gaboraraka eto an-drenivohitra Handray ny andraikiny ny kaominina


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Mihagaboraraka hatrany ny fitantanana ny tobim-piantsonana eto amintsika ( parking).

 
Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy eto an-drenivohitra toy ireo fiara mijanona eny amin’ny vavahadin’olona, misy ihany koa ireo manamboatra môtô ary manangona io fitaovam-pitaterana iray io eo amin’ny rond point….Mitaraina avokoa ny  ankamaroan’ireo mpampiasa lalana, ankoatra ny fitohanana izay efa tena miteraka fahasorenana ho an’ny rehetra eto amintsika. Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia nambaran’izy ireo fa handray ny andraikiny ny fiadidian’ny tanàna. Efa nisy ny toromarika nomen’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana entina handaminana izany. Tafiditra ao anatin’ny fanambin’izy ireo mantsy dia mba hananana tanàna madio sy milamina mandritra ny fety. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa mila mifanabe ny olom-pirenena tsirairay avy fa tsy hiandrasana ny kaominina irery ny asa. Ho an’ireo mpampianatra mpamily fiarakodia eto an-drenivohitra sendra anay dia nambaran’izy ireo fa efa tafiditra ao anatin’ny famokarana mpamily matihanina ny resaka fanajana ny  tobim-piantsonana saingy miankina amin’ny tsirairay avy ny fanajana izany na tsia.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT