PARKING ENY ANTSONJOMBE

Hisokatra manomboka anio


  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Hisokatra ho an’ny besinimaro

manomboka anio Alakamisy 10 Septambra ny Parking na toerana vaovao hijanonan'ny fiarakodia etsy Antsonjombe. Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny ora fisokafany ka 500 Ar ny saran’ny fiantsonana, raha araka ny vaovao azo. Nofoanana avokoa noho izany ireo toerana fiantsonana vonjimaika manodidina an'Antsonjombe toy ireo eo akaikin’ny banky BMOI, ny toeram-pivarotana sy fihinana pizza Gastro ary ireo toerana hafa manodidina. Miantso ireo mpampiasa fiara rehetra mba hampiasa ity parking ity araka izany ny tompon'andraikitra hanamorana ny fivezivezena sy hisorohana ny fitohanana ateraky ny fiantsonan’ny fiara eny amin’ny sisin-dalana. Tsiahivina moa fa hiarahan'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny tsy miankina ny fitantanana ity parking ity raha araka ny fantatra. Olana hafa hitarainan'ireo mpampiasa azy fotsiny indray ny fisian'ny sekoly iray vao nisokatra eny an-toerana izay lasa miteraka fitohanan'ny fiara goavana ihany koa.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao no endrik'ilay parking vaovao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT