Fifamoivoizana

Orinasa nanao làlana “Aza terena hanaotao foana izahay, milela-paladia”


  • Alarobia 27 Jolay 2022

« Aza terena izahay hanaotao foana fa olon-kendry izahay ireo, ary raha hanao izahay mahavita ! Tena mandohalika ary milela-paladia aminao izahay Atoa Filoha fa inona no ratsy nataonay ?

Milale-paladia anao izahay, ary izahay tsy hanimbazimba anao, mafy ny mahazo anay, be ny tapaka làlan-dra, be no efa maty, ao ny mety higadra noho ny taratasim-bola tsy misy antoka satria tsy mety mivoaka ny vola kanefa nitrosa nanao ny asa, ny tany efa lasa, ny fiara lasa,… Milela-paladia Atoa Filoha hoe: Filohanay ve ianao sa filohan’olon-kafa àry”, hoy ireo orinasa mpanao làlana omaly, nanao antso, nilanja sora-baventy. Nanamafy izy ireo fa nanaraka ny lalàna niainga tamin’ny antso tolobaro-panjakana ny nanaovan’izy ireo ny asa, izay tao anatin’ny 2019-2020 ny ankamaroany. Nanamafy fa vita ny asa nataony, ary nanaraka ny fenitra. Mametra-panontaniana ireto mpandraharaha ireto hoe: nankaiza marina ny volan’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) izay novain’ny Fanjakana ho FR (Fonds Routier) moa vao tonga izy ireo? Tao anatin’ny roa taona ny fitakiana saingy hatramin’izao vitsy ireo nahazo ny volany. Efa tonga hatrany amin’ny hoe: milela-paladia ka asa hoe: Fanjakana mbola manan-tsofina ny eto sa dia efa mitsentsina inona loatra? Nankaiza ny vola sa nisy nanakepoka ka ny hafa no mizaka ny ngidiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT