Fifamoivoizana

Oram-be mikija Tapaka ny RN 13, mitoka-monina i Betroka


  • Zoma 17 Janoary 2020

Vokatry ny oram-be nikija any an-toerana dia miato ny fifamoivoizana amin`ny RN 13 izay mandalo any Betroka noho ny fikaohan-driaka ny arabe hiditra amin’ny tanànan`i Betroka ka lasa lavaka be.

 

 

 

 Sarotra ny fivilianan-dalana. Mikatso tanteraka ny distrikan`i Betroka ka mpampiasa lalana an-jatony no mikatso tanteraka ao. Manoloana izany dia nisy ny fivoriana maika notarihan` ny OMC sy ny distrika ary ny mpitatitra hamahana ny olana. Marihina fa raha miala aty Antananarivo mankany Taolagnaro na koa mihazo an’Ambovombe dia miankina amin`io RN13 io. Raha tsiahivina dia ny 29 janoary 2019 ny filoha Rajoelina no nitsidika ny tany amin`ny faritra Androy niaraka tamin`ny delegasiona maromaro. Nilaza hatrany izy tamin`izay fa hamboarina ny lalana RN 13 avy eo Ihosy hatrany Taolagnaro izay mirefy 493 km. Miandry fatratra ny fahavitan`ny lalana ny mponina any an-toerana ankehitriny satria efa ho herintaona izay ny filoha no nampanantena.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT