Fifamoivoizana

Ora fivezivezen’ny fiara vaventy Nampatsiahy ireo fitsipika ny CUA


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Namoaka fampahatsiahivana momba ny fepetra ahafahan’ny fiara mivezivezy eto Antananarivo Renivohitra ny Fiadidian’ny tanàna.

Nampahatsiahy, fa araka ny «Arrêté interministériel n°1350/2015 » dia toy izao manaraka izao ny ora mifehy ny fivezivezen'ny fiara vaventy eto amin'ny faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra: Ho an'ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 T (PTAC) dia voafetra amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 5 ora maraina. Ho an'ireo fiara vaventy latsaky ny 16 T (PTAC) dia voafetra amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 11 ora atoandro sy amin'ny 1ora hatramin'ny 3 ora atoandro ary amin'ny 9 ora alina hatramin' ny 5 ora maraina. Tsy voakasik'izany kosa ny fiara mpitondra solika sy ny fiaran'ny JIRAMA. Ny Fiadidiana ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra dia mankasitraka feno antsika rehetra amin'ny fanajàna ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny mampikorontana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ny tsy fanajana izany, ka anisany ny fitohanana lavareny, izay miantraika amin’ny rehetra ny fatiantoka.
ENCADRE
Raha ny kajy tsotsotra fotsiny, dia 8ora isan’andro no tokony hiasan’ny olona raha ny ara-dalàna, 160ora/isam-bolana, izany hoe: 1562.5Ar ny sandan’ny ora iray raha miainga amin’ny karama farany ambany 250 000Ar, ka raha lany adin’ny telo amin’ny fitohanana raha kely indrindra dia efa 4687.5Ar, ary manodidina ny 120 000Ar iray volana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT