Fifamoivoizana

Oniversiten’Antananarivo Tsy mbola vita ny taom-pianarana 2018 - 2019


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Nivalona iny ny taona 2019. Antenaina fa taona vaovao hitondra ainga vaovao ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ity taona 2020 ity,

 hoy ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, sampana Antananarivo. Tsy mbola miala amin’ny fisokafana ho amin’ny adihevitra ny Seces, hoy ny filohan’ny Seces Tana, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Mbola lavitry ny afo ny kitay ary mbola be dia be ny vokatra andrasana amin’ny fanjakana raha ny mikasika ny vahaolana amin’ireo olana misy no resahana. Tsy marina ny filazana fa efa mivaha ny teboka miisa 6 amin’ny 7, raha ny voalaza tamin’ny filankevitry ny fivoriamben’ny Seces omaly ary nohamafisin’ity filoha ity izany. Vahaolana maharitra fa tsy petatoko no andrasana. Ny 15 janoary izao no fotoana nifanomezana tamin’ny mpitondra ivoahan’ny vahaolana, hoy izy, ka eo am-piandrasana izany dia mitohy aloha ny tolona. Hiverina hihidy ny “Barrière” anio, hoy ny filohan’ny Seces, satria marihina fa ato amin’ny tokotanin’ny oniversite izahay no manao fihetsiketsehana fa tsy any ivelany. Hisorohana amin’ny mety ho fidiran’ny mpanakorontana ihany koa no antony nandraisana ny fepetra. Raha ny fantatra moa dia mbola tsy vita hatramin’ny farany ny taom-pianarana 2018 – 2019 ho an’ny oniversiten’ Antananarivo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT