Fifamoivoizana

OMAVET Ampasampito Hiasa tsy ho ela


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Hiasa tsy ho ela ny OMAVET eny Ampasampito, hanara-maso ny toe-pahasalaman’ireo fiarakaretsaka sy taksibe mpitatitr’olona eto an-drenivohitra eny hatramin’ireo fiara tsotra ho fiarovana ny ain’ny mpandeha.

Raha araka ny fanazavan’ny taleny ny kolonely  Bezandry       mantsy dia efa tonga ao an-toerana avokoa ireo fitaovana ilaina izay vao avy nalaina tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa vita ihany koa ny fanofanana ny mpiasa amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo raha efa lasa nody afak’omaly ilay teknisiana teratany vahiny nametraka azy.  Ny toerana fandraisan’olona sisa no olana izay ezahina  hifanaraka amin’ny filan’ny tsirairay sady manara-penitra ihany koa.  Hisy ny dinika hifanaovan’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny OMAVET  mandritra izany hahafahana mitady ny vahaolana. Nomarihin’ny kolonely Bezandry moa fa na dia ny hanatsarana ny kalitaon’ny asa hatolotra ireo mpanjifa mampiasa fiara fitateram-bahoaka aza no tena tanjon’ny OMAVET dia tsy mahasolo visite technique izany  saingy efa manazatra ny olona ho tia sy hankamamy zavatra tsara kosa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT