Fifamoivoizana

OMAVET Ampasampito Hampiasa fitaovana raitra sy moderna


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Nisy ny fitsidihana teny ifotony fijerena ny toeran’ny OMAVET tetsy Ampasampito omaly izay nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra nahitana ny lefitra faharoan’ny

 

 ben’ny tanàna Atoa Julien Andriamorasata sy ny filohan’ny filankevitra Monisipaly ny kolonely Faustin Andriambahoaka ary ireo tale maro samihafa eo anivon’ny CUA. Naseho ny mpanao gazety ny zava-misy eny an-toerana, nambara fa eo am-piandrasana ireo fitaovana maoderna sy raitra ny OMAVET amin’izao fotoana ary afaka hiasa ara-dalàna amin’ny janoary 2018. Fanapahan-kevitra efa nankatoavin’ny filankevitra monisipaly ary tsy maintsy tanterahana ny fanaovana ny « contre visite » eny amin’ny OMAVET, araka ny fanambaran’i Julien Andriamorasata. Misy ny vola arotsaka ao amin’ny OMAVET noho ny asa ataony, hoy izy. Tsy manova ny vola aloan’ireo Taksi manao « contre visite » anefa. Noho ny fitaovana raitra ananany dia mahavita asa tsara sy haingana kokoa ity ivontoerana iray ity. Anisan’ny efa irosoany ihany koa amin’izao fotoana ny fanaovana « marquage au sol » amin’ny arabe eto Antananarivo tahaka ny natao teny Mahamasina omaly, ohatra. Mila miova ny fomba fijery fa tsy hanohitra foana ny fanovana sy fanatsarana izay atao ka itadiavana izao paika sy tetika rehetra izao, hoy ry zareo ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny resaka OMAVET.

Ramano F

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT