OLONA NAVADIKY NY BOTRY

Tafakatra 5 ireo namoy ny ainy


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Tafakatra 5 hatreto ireo olona namoy ny ainy navadiky ny botry tany amin'ny vavaranon'i Betania, hiditra ny distrikan’i Morondava.

Vehivavy miisa 4 sy zazakely vao amam-bolana ireo namoy ny ainy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia botry iray niala avy any Maintirano ny Sabotsy teo ity tra-doza ity. Vaky izy rehefa tratry ny onjan-dranomasina mahery vaika ka rendrika tanteraka tokony ho tamin'ny 4ora 30 ka hatramin'ny 5 ora hariva teo raha nikasa hiditra an’i Morondava. Miisa 17 moa ireo olona tao anatiny ka ny 9 mpandeha raha ekipan'ny mpitondra botry kosa ny 8 izay samy tsy nisy naninona. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Morondava araka izany ireo mpandeha 4 ambiny.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT