OLONA MIVOAKA ANY AMIN’NY FARITRA

Mahatratra 1600 isan’andro etsy amin’ny Andohatapenaka


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

amin’ny faritra tonga maka taxi-brousse etsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Mahatafavoaka fiara 6 isanisany isan’andro ireo koperativa miisa 23 mpikambana eny an-toerana, raha araka ny fanadihadiana natao. Ireo miazo an’i Marovoay, Mahajanga ary Toamasina no tena maro an’isa amin’izany. Ankoatra ireo mpiala sasatra dia olona handeha hiondrana hitady vola manararaotra ny hamaroan’ny olona tonga any amorontsiraka ny ankamaroan’izy ireo indrindra fa ireo mpanao sakafo. Ho an’i Mahajanga manokana dia efa mahatratra am-polony maro izy ireo no tonga any an-toerana izay misehatra amin’ny fampilalaovana ny ankizy, ny fivarotana fitafiana maivana sy fitondra milomano, ny kapa,….Ho an’ireo mpiala sasatra manokana moa dia tsiahivina fa manomana hatrany amin’ny 2 tapitrisa Ar any raha kely ny olona 3 mianaka raha hijanona mandritra ny 10 eo ho eo any an-toerana.
Pati
Legende : Mpivarotra handeha hitady vola ny ankamaroan’ireo mpandeha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT