OLONA MISOTRO TOAKA NEFA MAMILY

Ireo mpitondra moto no betsaka tratra eto amintsika


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Tsy mitsitsy intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fidinana ifotony mitily ny tahan’alikaola anatin’ny vatan’ireo

mpamily na koa ireo mpitondra kodiaran-droa mivoaka rehefa faran’ny manomboka izao . Hisorohana ny aina mety hafoy sy ny ratra ateraky ny lozam-pifamoivoizana no anton’izany izay marihina fa tena mirongatra sy mahazo vahana tokoa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Idiana violon avy hatrany ohatra ireo mpamily ahitana tahan’alikaola mihoatra lavitry ny 0,4 g isaky ny litatra. Miala avy hatrany eo ambony familiana kosa ary mitady mpamily hafa arahin’ny fahazoana taratasy fiantsoana any amin’ny mpitandro ny filaminana ireo ahitana tahan’alikaola mihoatra ny 0,4g isaky ny litatra. Ho an’ireo manakaiky io fatra io kosa ny tahan’alikaola hita ao aminy dia mijanona avy hatrany ny fiara sy ny moto entiny raha mahazo fampitandremana ireo ahitana tahan’alikaola latsaky ny 0,4 g isaky ny litatra. Tsiahivina moa fa nitontaly 117 isa ireo mpamily fiara nanaovana fitiliana tahan'alikaola tamin'ny alin'ny zoma 13 sy ny sabotsy 14 Septambra lasa teo, tao anatin'ilay Opération coup de point. Ny 07%-n'ireo nahitana tahan’ny alikaola tao anatin’ny vatany. Ny 93% kosa tsy nisotro zava-pisotro mahamamo. Nahatratra 151 kosa ny isan’ireo mpamily kodiaran-droa nanaovana fitiliana tahan'alikaola ka ny 92% tamin'ireo tsy nisotro zava-pisotro mahamamo raha nahitana tahan’ alikaola tao anatin’ny vatany kosa ny 8%. Ireo mpitondra araka izany no tena misotro toaka raha io salan’isa io no jerena.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay fitiliana ny tahan’alikaola hatao amin’ireo mpamily fiara na mpitondra moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT