OLONA MIANAKA VOADONAN’NY MOTO

Maty tsy tra-drano ilay zazakely vao tapa-bolana


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly maraina tany Ambohidrano Antsirabe I.

Ramatoa iray nitondra zaza niotra no nodomin’ny moto na kodiaran-droa tampoka izay marihina fa tsy Renin’ilay zaza. Niara-lavo tamin’ny tany izy mianaka vokatr’izany ka namoy ny ainy ilay zazakely tsy manan-tsiny raha naratra mafy kosa ilay Ramatoa nitondra azy izay anabavin-dRainy ary efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Vao tapa-bolana monja moa ity zazakely ity raha araka ny vaovao azo. Mafy loatra anefa ny dona nahazo mianaka ka tsy nahazaka izany ilay tsy manan-tsiny. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay zaza sy ilay Ramatoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT