Olona matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nahatratra 67 tao anatin’ny efa-bolana


  • Alarobia 15 Mey 2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Ankoatra ny olana ara-teknika mahazo ny fiara izay manodidina ny 80% any ho any dia anisan’ny antony mahatonga izany ihany koa ny tsy fitandreman’ny mpamily, antony mahatonga ny 20%-n’ny loza. Ho an’ny teto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa nahatratra 157 isa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga nanomboka ny volana Janoary lasa teo ka hatramin’ny Aprily ka nahatratra 67 isa ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Mitontaly 704 kosa ireo lasibatra izay tapaka, naratra….Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia ny 48%-n’ireo lozam-pifamoivoizana ireo dia avy amin’ny kodiaran-droa avokoa, ka anisan’izany ireo hita sy miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook.
Pati
Legende : Ny moto no tena maro lasibatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT