Fifamoivoizana

Olona efa nahazoazo taona Tsy tokony avela mitondra fiara irery intsony


  • Alarobia 11 Mey 2022

Efa tafiditra ao anatin’ny olona marefo ny zokiolona. Raha vantany vao mihoatra ny 60 taona izy ireny dia efa tokony hisy fanaraha-maso manokana indrindra raha vantany vao mivoaka ny trano.

Ho an’ireo raim-pianakaviana ohatra dia tsy tokony hitondra fiara irery intsony izy ireny na mitondra ihany fa mba misy olona miaraka aminy hisorohana ny loza mety hitranga sy tsy hanomezana loza ny hafa ihany koa. Tsy misy hafa amin’izay ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Talatamaty ny faran’ny herinandro teo. Fiara clio kely iray avy any Andohatapenaka no namantana tamina taxibe Sprinter iray avy any Alakamisy Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavan’ny mpamilin’ity farany dia vao lavidavitra dia efa hitany nivilivily io fiarakely clio io ka nijanona izy raha saika hiakatra hiazo an’i Vassacos. Namantana avy hatrany tany aminy ihany anefa io fiara clio io ka naratra ilay mpamily izay nandeha irery no sady efa nahazoazo taona. Potika ihany koa ilay fiarakely nentiny raha ny lohan’ilay taxibe sprinter kosa no voa. Tombanana ho naharary moa ny mpamilin’ilay fiara clio kely ity na tratry ny torimaso fotsy, antony niteraka ny loza tahaka izao.
Pati
Legende : Tranga tahaka izany no nahatonga ity loza tety Ambodimita ity
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT