Fifamoivoizana

Olan’ny fiara fitateram-bahoaka Mampitaraina ireo mpamily ny faharatsin’ny lalana sy fitohanana


  • Zoma 17 Martsa 2023

Vaky taraina ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka na taxibe manoloana ny faharatsin’ny lalana sy ny fitoanana lavareny eto an-drenivohitra.

Anisan’ny tena lasibatra amin’izany ireo zotra izay mandeha any Ankadimbahoaka, eo ihany koa ny eny ambodin’isotry sy 67 izay efa tena ikoizan’ny maro ny aratsin’ny lalana. Miteraka fati-antoka ho azy ireo ny aratsin’ny lalana izay misy fihantraikany lehibe any amin’ny fiara vokatr’ireo lavadavaka. Voatery tsy maintsy mitandrina izy ireo noho izany mba tsy hanimba fiara. Zara raha mahazo karama izy ireo vokatrin’ny fihenan’ny fivezivezen’izy ireo isan’andro. Miantefa mivantana any amin’ny vola izay mirotsaka any amin’ny tena tompony fiara sy ny mpamily ary ny mpanampy izany. In’efatra na hindimy isan’andro ny fivezivezena vitany teo aloha raha toa ka impito kosa teo aloha raha ny nambaran’ny Mr Haja mpamily ny zotra A mampitohy an’Isotry,67ha, Itaosy. Raha ho an’i zotra G mampitohian’ny CNaPS, Ankadimbahoaka, ampefiloha, Anosizato , ampitatafika kosa, ny fitohanana sy ny fahasimbain’ny fiara no tena hitan’izy ireo mahafaty antoka, raha ny nambaran’i Tahina mpamily taxibe amin’iny lalana iny.
FANAMBOARANA
Efa nanomboka omaly 16 martsa 2023 kosa anefa etsy ankilan’izay ny dinika fanombohana sy fandaminana amin’ireo fanamboarana ireo lalana simba ireo izay hiandreketan’ny Minisitera sy ny kaominina. Arak’izany dia hisy ny fahatapahan-dalana hoan’ i fifamoivoizana fiara rehetra manomboka anio 17 martsa 2023 miainga eo amin’ny sampanana ambodin’isotry hatreo amin’ny Aigle noir mandrapavitan’ny asa. Mandray ny lalana Agosthino Neto ary mandray ny lalana Boulevard mihazo ny tany malalaka ireo fiara rehetra makany amin’ny Havana.
Princy Lucas
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT