Fifamoivoizana

Olam-piainanana Loharano mitarika loza ho ana mpamily maro


  • Talata 01 Febroary 2022

Tena miteraka olana goavana amin’ny fiainana andavanandro ny olana ara-piainana sy ny rarin-tsaina. Ho an’ireo mpamily manokana dia fantatra fa misy amin’izy ireny mihitsy no lasa

 manao lozam-pifamoivoizana eny am-pamiliana vokatr’izay adin-tsaina…. izay. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony hamily am-pifaliana sy hahay handefitra ny rehetra mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ho fiarovana ny aina. Anisan’ny tanjoky ny Auto ecole Jacky izany amin’izao fankalazana ny faha-25 taona niorenany izao. Mamily am-pifaliana no teny filamatra hitondrany izany no sady efa nahafantaran’ny olona azy ihany koa ka mbola hiantsoany ireo namana mpampaianatra mpamily fiarakodia hafa mba hanaraka ny diany. Noatsiahivin’Atoa Jacky manokana moa fa betsaka ny zavatra mety hanahirana eny am-pamiliana fiara eny saingy tsy misy tsara ohatra ny mahay mifandefitra sy mifanampy hatrany. Tsy maty antoka ianao hoy izy raha lany 10 segaondra isaky ny fiara iray mangataka lalana aminao raha izay no hahatsara zavatra. Tolotra ho an’izao fankalazana ny faha-25 taona niorenan’izy ireo izao moa ny fisian’ny fiara vaovao sy moto vaovao ho an’ny mpianatra ankoatra ny fanohizana ilay olona iray isaky ny adin’ny iray hianatra hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19.

 

Pati
Legende Fiara vaovao hampiasain’ny trano fianarana familiana Jacky amin’izao fankalazana ny faha-25taonany izao !
Olam-piainanana Loharano mitarika loza ho ana mpamily maro

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT