Fifamoivoizana

Nosy Be Niverina ny sidin’ny Ethiopian Airlines


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Herintaona latsaka kely taty aorian’ny fanakatonana ny habakabak’i Nosy Be dia niverina indray ny sidina mivantana avy any ivelany iantsorohan’ny kaompania Ethiopian Airlines.

Tonga tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Fascène Nosy be ny sabotsy lasa teo ny zotram-piaramanidin’ny Ethiopian Airlines nisantatra indray ny sidina avy any ivelany.Mpandeha 31 avy any Addis-Abeba ireto tonga ny sabotsy lasa teo ireto, raha ny vaovao voaray avy amin’ny ministeran’ny fizahantany. Isaky ny sabotsy aloha amin’izao fanombohany izao , fa heverina fa ho lasa sidina 3 isan-kerinandro izany amin’ny volana jona, araka ny fanazavana hatrany. Vaovao tsara ho an’iroe mpisehatra eo amin’ny resaka fizahantany izao satria mampitombo ireo vahiny mpisahantany ao Nosy be, ity tanàna ity izay miankina 90% amin’ny resaka fizahantany ny fiainany.Tena nitondra faisana ny mponina tao nandritra ny fihibohana ary efa hatramin’ny faaramparan’ny taona 2021 izy ireo no nitaky ny hanokafana ny habakabak’i Nosy Be sy hamerenana ireo sidina mivantana vay any ivelany. Tsy mahaliana ny mpiazahantany mantsy ilay hoe tonga eto Antananarivo dia handray fiara na mbola hiondraa amina sidina hafa indray hamonjy an’i Nosy Be, lasa midangana be ny sarany. Raha ho an’ny seranam-piaramanidina Ivato- Antananarivo kosa dia efa in-dimy isan-kerinandro no misy sidin’ny Ethiopian Airlines avy any Addis Abeba.Hatreto izany dia kaompania 4 no mampifandray an’i Nosy Be amin’izao tontolo izao dia ny Neos Air, Air Austra, Ewa Air ary Ethiopian Airlines.

Nangonin’i RTT
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT