Fifamoivoizana

Noho ny adalan’ny mpitondra Malagasy Nafindra any Afrika Atsimo ny “AviaDev 2022”


  • Zoma 25 Martsa 2022

Taorian’ny fanaisaorana tamin’i Madagasikara ny fandraisana ny “AviaDev Africa 2022” tokony hatao ny jona 2022 izao,

 fantatra ankehitriny fa i Cape Town atsy Afrika Atsimo no hampiantrano ity fihaonam-be kaontinantaly momba ny fitaterana anabakabaka ity, izay ahitana ireo seranam-piaramanidina, kaompania anabakabaka, mpisehatra amin’ny fizahantany. Antony ny adalan’ny manampahefana Malagasy tamin’ny fitantanana hafahafa toy ilay resaka valizy misy kodiarana sy solosaina entin-tànana na “ordinateur portable” nolazaina fa tsy azo atao entana enti-tànana fa any amin’ny “soute”. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena fiarovana ny loza noho ny vatoaratry ny solosaina mety hipoaka, saingy ny minisitry ny fitaterana teo aloha no nanitrikitrika ny nandraisana io fanapahan-kevitra io, avy eo vao niverin-dàlana fa mbola vao eritreritra no saika atao. Tsy nanana antoka amin’ny resaka fisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara ihany koa ny mpikarakara. Eo ihany koa ny famehezana ny fifamezivezen’ny sidina, ny fepetra ara-pahasalamana takian’ny manam-pahefana Malagasy amin’ny mpandeha iraisam-pirenena. Ireny rehetra ireny no mampananosarotra ny fahafaha-manatanteraka ny hetsika eto Madagasikara tsy ahafaha-mamaly ny fenitra takiana amin’ny AviAdev Votsotra tamin’i Madagasikara noho izany ity fikaonan-doha lehibe ity. Kaompania manodidina ny 40, mpandray anjara hatrany amin’ny 700 amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka sy fizahantany avy amin’ny firenena manodidina ny 20 anefa no handray anjara amin’io. Fotoana ahafahana maneho an’izao tontolo izao an’i Madagasikara, hisintonana mpizahatany sy mpampiasa vola, saingy maro ny lesoka avy amin’ny mpitondra. Isan’ny nampiaka-peo sy nanome tsiny mafy ny Fanjakana tamin’ny fahavotsoran’ity hetsika lehibe tokony hampiantranoan’i Madagasikara ity ny mpisehatra ara-pizahantany eto Madagasikara. Fanamby ny hanatratra mpizahantany 500 000 raha 300 000 tamin’ny 2018, saingy vao mainka fanosehana ny mpizahatany hiverina no ataon’ny Fanjakana, raha tarafina amin’ny sarany midangana, ny fepetra misy fitadiavam-bola be,... Ahiana hivarina any amin’ny lisitra mainty na « Annexe B ihany koa ny firenentsika amin’ny lafiny fitaterana anabakabaka noho ny zava-misy. Izao ve ilay antsoina hoe : fitantanana manara-penitra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT