Nofahon’ny fiara tetsy

Ambohitrimanjaka


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mhatsiravina indray omaly alina teny Ambohitrimanjaka. Fiara marika Golf 5 GTI nentina tovolahy iray mbola mpianatra (23 taona) no nahafaoka ilay mpandeha an-tongotra, raha ny vaovao niparitaka omaly alina. Niparitaka mihitsy moa ilay lasibatra, ka nifampitadiavana ny vatany sy ny lohany satria latsaka tany anaty rano. Hita ihany rehefa natao ny ezaka rehetra. Ilay fiara nandona kosa latsaka tao anaty rano, ary naratra ny mpandeha iray tao anatiny. Ankoatra io, nisehoana loza goavana ihany koa teny amin’ny lalam-baovao Rocade hiazo ny làlana Akoor Digue omaly tolakandro hatrany, ka fiara raitra miisa 2 raha kely no potika tanteraka ny lohany, ankoatra ny an’ny nandona. Tsy fantatra mazava kosa ny mety ho fahavoazan’ireo olombelona mety lasibatra tamin’ity loza iray hafa ity. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tato ho ato, ka hanentanana hatrany ny rehetra hitandrina. Isan’ny fositra ny fandehanana mafy, ny fiara mijanona amin’ny toerana mampidi-doza, ny fandraisana alikaola,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT