Nitsoraka avy eny ambony Taksibe

Tsy mahatsiaro saina tsara I Aina, ilaina ny fianakaviany


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Tovovavy kely iray manodidina ny 18 taona eo ho eo raha ny tombana i Aina Ramanohisoa.

Tsy fantatra mazava izay olana nianjady tamin’ity tovovavy ity fa nitsoraka avy eny ambony taksibe 194 izy no hitan’ny olona ka novonjena herinandro lasa izay. Nisy voadona tamin’ny tenany vokatr’izany no sady marary tsy mahatsiaro saina tsara ihany koa izy hatramin’izao. Olona tsara sitrapo no nanatitra azy teo anivon’ny hopitalim-panjakana CHU HJRA Ampefiloha. Ny mampalahelo anefa dia mbola tsy misy fianakaviana tonga mitsidika ihany i Aina na dia efa nisitraka ireo karazana "premiers soins" aza hoy ny vaovao. Miantso izay havany na izay mahalala ity tovovavy ity araka izany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny hopitaly HJRA mba hanatona ny "Service Neurochirurgie" fa ao no hitsaboana azy.
Pati
Legende : Ity i Aina Ramanohisoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT