NITOKONA NY ZOTRA 015

Mitaraina ho takian’ny koperativa volabe loatra


  • Zoma 05 Jolay 2024

Nitokona ireo taxi-be 015 mampitohy an’ny 67 ha sy Mandroseza omaly Alakamisy 04 Jolay atoandro.

Teny Mandroseza no nanatanterahany izany nandritra ny ora 3 na 4 teo ho eo. Nambaran’izy ireo fa diso be loatra ny sazy mihatra amin’izy ireo sy ny vola takian’ny koperativa. Ankoatra ny vola raisin’izy ireo amin’ny maha-mpikambana hoy ny mpamily iray dia tena mihoampampana ireo karazana kipitsony tsy maintsy hamoaham-bola isan’andro ka izay tsy mahavita izany dia hiharan’ny antsonjay. Hangatahin’izy ireo araka izany ny tokony hanoloana ny mpitantana ny koperativa. Tsiahivina moa fa niteraka fimenomenomana ho an’ny mpanjifa ity fitokonan’ny 015 omaly ity. Saika filaharambe avokoa no hita teny Mandroseza sy 67 ha izay naharitra ora maromaro mihitsy. Manodidina ny 40 eo ho eo moa ny isan’ireo taxibe mivondrona ao amin’ny koperativa misy ny 015 ankehitriny.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana nataon’izy ireo omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT