Namoaka fanambarana ny ACM (Aviation Civile de Madagascar)
fa niteraka fikorontanana sy ahiahy teo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka sivily eto Madagasikara ny fiparitahan’ny vaovao diso tao amin’ny tambajotra sosialy, milaza fa nisy fiaramanidina Boeing 777 mitondra ny laharana 5R-RIJ, voalaza fa voarohirohy tamin’ny raharaha hosoka tany Iran, niditra sy mipetraka amin’izao fotoana izao ao amin’ny tanin’ny firenena. Araka ny filazan’ireo mpanaparitaka vaovao, dia voafaritra ara-jeografika mihitsy ny toerana misy ilay fiaramanidina, ao anaty hangar eto Madagasikara. Tsy marina tanteraka io filazana io, ny fiaramanidina Cessna Grand Caravan EX mitondra ny laharana 5R-NLD an’ny Mission Aviation Fellowship (MAF) Madagascar no nanao sidina fanokafana tamin’io andro io. Ity fiaramanidina ity dia fitaovana maivana ampiasaina amin’ny asa fanampiana mahaolona, ary tsy misy ifandraisany amin’ny Boeing 777 voatonona, hoy ny ACM. Nambara fa efa navoaka ofisialy ny fanitsiana sy fandisoana avy amin’ny MAF, saingy mbola miparitaka hatrany ny vaovao diso, izay manohintohina ny fiarovana sy ny filaminan’ny fitaterana an’habakabaka. “Tsy azo ekena ny fielezan’ny vaovao tsy voamarina, izay mety hampisafotofoto ny vahoaka sy hanimba ny fahatokisana amin’ny rafitra ara-pitaterana,” hoy ny fanambarana. Nampitandrina ihany koa ny ACM fa ny fiparitahan’ny vaovao tsy misy porofo momba ny fitondrana an’habakabaka sivily dia manohintohina mafy ny fiarovana sy ny maha-ara-dalàna ny firenena. Noho izany, dia handray fepetra hentitra, anisan’izany ny fitoriana eny amin’ny fitsarana, mba hanakanana ny fielezan’ny vaovao diso sy hanenjehana ireo mpanaparitaka izany, hoy hatrany ny ACM. « Efa nanao seraseram-baovao ihany ianareo, no mandrahona hitory, mba omeo fanazavana ary izahay, nahoana ny « code transpondeur B777 5R-RIJ » no entin'ny « géolocalisation Cessna 5RNLD », izay tsy hita « trace radar ». Sa hoe « bug Flightradar24 », nefa « code transpondeur » nareo lany daty tsy manana « Autorisation » tsy vitanareo akory ny manala azy ara-potoana », hoy ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana. Inona tokoa moa ny afera sy zavatra tsy mampiahiahy tsy hita teto ? Ny bologam-bolamena mivadika korotamby, ny fiaramanidina mety hisy hosoka, ny nolazaina fa namboarina (fiaramanidina CASA) tany dia tsy hita, ny nolazaina fa ampiasaina eto lasa any Iran,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.