Fifamoivoizana

Nilaozan’ny « frein » Nifatratra tany amin’ny fanariam-pako ilay kamiao


  • Talata 17 Mey 2022

Kamiao kely iray mpitatitra simenitra no tapaka tsindry hisatra omaly maraina teny Ambolokandrina.

Raha araka ny fantatra dia avy tany amin’ny lalana bibilava ity kamiao kely mpitatitra simenitra ity no nidina ka nifatratra tany amin'ny fanariana fako tsy lavitra faran'ny taxibe 182, izay eo amin’ny fidinana be tokoa. Mpamily sy olona roalahy mpibata simenitra no tao anatiny. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy raha nisy kosa ny naratra. Mety ho nitsoraka tany amin’ny tranon'olona ambadiky ny tamboho ilay fiara raha tsy nisy ilay fanariam-pako io raha araka ny fanazavan’ny mponina. Mety ho loza ihany koa no nitranga raha nisy mpivarotra teo akaikin’ilay fanariam-pako. Matetika mantsy no misy ireny mpitondra gilasy na mofokely mandehandeha ireny eny amin’iny faritra fijanonan’ny taxibe iny. Aleo mailo hatrany araka izany fa lahitokana ny aina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny loza
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT