Fifamoivoizana

Nikodiadia tany anaty hantsana ilay fiara Mpandeha 4 indray maty , 6 naratra


  • Talata 13 Jolay 2021

Nandriaka indray ny rà tany amin’ny làlam-pirenena voalohany na ny RN1. Fiara marika Crafter no nivarina tany anaty hantsana tao Ambohimitarina omaly 12 jolay tokony ho tamin'ny 6 ora maraina.

Tsy taksibrosy fa fiara tsotra avy any Tsiroanomandidy ity Crafter tra-doza ity. Misy mpianakavy tao anatiny, misy olona avy namonjy fanamasinana Eveka tany Tsiroanomandidy, misy ihany koa mpandeha tsotra hiala eo Arivonimamo, raha ny fanampim-baovao. Araka ny fanazavan'ny mpamily tamin'ny zandary, somary nandeha mafy izy. Tratran'ny torimaso fotsy ihany koa. Tao anaty fiolahana mampidi-doza indrindra no tsy tana ny familiana ka nivoaka ny làlana, ary nivadibadika tany anaty hantsana sahabo ho 10 metatra tany amin'ny havian-dalana. Vokany, mpandeha 4 namoy ny ainy. Ny 2 izay 45 sy 52 taona namoy ny ainy teo noho eo, ary 2 hafa tsy tana ny ainy vao tonga teny amin’ny hopitalin'i Miarinarivo ny 2 ambiny. 6 kosa no naratra mafy, ary anatin'izany ny mpamily. Potika 75 isan-jato ilay fiara. Taksibrosy sendra nandalo no niantso ny zandarimaria. Nentina eny Miarinarivo, avy hatrany, ireo naratra ho tsaboina. Olon-dehibe avokoa izy ireo. Tsara dia tsara ny RN1, saingy tsy ampy mari-pilazana loza sy fampitandremana, hoy ny fanamarihana. Tamin'ny alakamisy sy zoma hatramin'ny alahady teo, dia nasiana zandary nanao fanentanana an'ireo mpampiasa làlana, hatrany Ankadinondry Sakay ka hatreo amin'ny tetezana Trano Vy. Ny loza tsy mampilaza ka ilaina hatrany ny mitandrina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT