Fifamoivoizana

Nikarepoka tanteraka ireo Sprinter 2 Olona 1 maty, 15 naratra mafy


  • Zoma 02 Martsa 2018

Namono olona indray ny Srinpter tamin’ny lalam-pirenena faha-34 iny omaly antoandro.

 

Fiara sprinter mpitatitra olona avy any Antsirabe ho any Miandrivazo  sy fiara sprinter iray hafa nitondra fianakaviana avy any andrefana no nifandona tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro ka nahafatesana olona iray sy nandratrana ireo 15 hafa ary iray hafa mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Raha ny fitantaran’ireo mpandeha tao amin’ilay fiara iray mpitatitra olona dia nandeha mafy ilay fiara nifanena tamin’izy ireo, ary raha vao avy nivoaka fiholahana ny mpamily azy ireo no nahatazana tampoka ilay fiara nizotra tamin’ny ampahan-dalana tokony hizoran’izy ireo no sady nivilavila be ny fiara nandehanany sady tampoka ka nanitsy tany amin’ny fiara nisy azy ireo. Potika tanteraka ny lohan’ireo fiara 2 nifandona ireo. Araka ny filazan’ireo mpandeha ihany  dia saika voa mafy avokoa ireo nipetraka tao aloha. Tapaka tongotra sy fe, dona mafy eo amin’ny tratra niampy ratra goavana, no hita tany amin’ireo olona  15 naratra. Raha ny filazan’ny mpitsabo dia enina amin’izy ireo no tsy maintsy hiatrika fandidiana. Nifarimbona namoaka ireo naratra ireo  mpandeha tamin’ireo fiara mpitatitra olona sendra ny loza ka izy ireo no nitondra ireo maratra sy ilay lehilahy lehibe maty tany an-toerana tao amin’ny hopitaly Loterana Antsirabe sy ny hopîtaly Atsimo aty Antsirabe. Matetika moa dia ny hadalan’ny mpamily sasany toy izao no mitera-doza amin’ny hafa.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT