Fifamoivoizana

Nihetsika ny Taxi-bisikileta « Aleo hiasa tahaka ny Taxi-moto izahay »


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Nivadika ho fakan-tahaka ny fanaovana amboletra nandaniana ny taxi-moto ho isan’ny fitaterana ara-dalàna eto Antananarivo, izay in-telo miantoana nandalo teo anivon’ny filankevitra monisipaly vao lany.

Taorian’iny, miady sisika ihany koa ny taxi-bisikileta, izay mitaky ny hamelana azy hiasa malalaka, ary tsy manaiky ny fanenjehana ataon’ny Kaominina Antananarivo. Noho izany, nisy ny fitokonana nataon’izy ireo teny amin’ny Rond point Anosizato omaly, ary tsy vitan’izay fa niakatra an’Analakely, niditra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey mihitsy izy ireo io omaly io noho ny fanoherana ny fakana ny fitaovany. Alain’ny polisy kaominaly mantsy ny bisikileta, ampandoavina 25 000 hatrany amin’ny 50 000 Ar vao miverina, izay efa maro no tratran’izany. Manodidina ny 12 000Ar eo ny vola azo raha be indrindra. Nihorakoraka ireo olona na tsy ny taxi-bisikileta hoe: “nahazo ny moto, ka aleo samy hiasa”, “ajanony ny didy jadona”, Anosy be sy Anosy. Raikitra ny fifandonana omaly satria niditra an-tsehatra nandrava izany ny polisy monisipaly. Lasa manao randran-tarihana ny famelana ny taxi-moto, izay heverina fa misy kajikajy politika ihany, ka dia io fa mirongatra ihany koa ny hafa. Io fa mitaky ny taxi-bisikileta, mety ho avy ihany koa ny bajaj, ny sarety efa manao ny ataony,… mety ho avy hatramin’ny taxi-borety, hoy ny vazivazy. Izay mangataka dia homena sa hisy hanao ahoana? Mifanaraka amin’ny fenitry ny tanàn-dehibe ve na ilay efa nekena na ireo mbola mangataka? Ny tombotsoan’ny tanàna sy ny vahoaka no mibaiko sa ny tombotsoa politikan’ny mpitantana? Nisy ny fihaonana teo amin’ny Kaominina sy ny solontenan’ny taxi-bisikileta omaly hariva, ka nampahafantarana fa tsy ara-dalàna iretsy farany, tsy afaka mivezivezy eto, ary hisy ny sazy eo anatrehan’ny fandikana izany. Tsara ny mampahatsiahy, fa nenjehina ny taxi-moto, avy eo navela malalaka teny na mbola tsy lany teo anivon’ny filankevitra monisipaly aza, ary ny farany nekena,… Manantena noho izany ireo taxi-bisikileta fa ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ny fihetsiky ny Kaominina tamin’ny taxi-moto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT