Niharan-doza ny tarika Sahondrafinina

Namoy ny ainy Rakotolava, mpitendry lokanga


  • Zoma 14 Jona 2024

Tratry ny lozam-pifamoivoizana tany amin'ny RN1 hiditra an'i Miarinarivo ny tarika Sahondrafinina

afak’omaly raha saika handeha hamonjy sehatra ho any Bongolava iny. 32 mianaka no tao anatin’ny fiara, ka 15 naratra, 01 voa mafy. Nikasa hatory tany Analavory vao hanohy ny diany izy ireo no izao tra-doza izao. Nentina notsaboina tao amin’ny Hopitaly HJRA, saingy tsy tana ny ain’io iray izay tena voa mafy io, dia Rakotolava, mpitendry lokanga, isan’ireo Raiamandreny ao amin’ny tarika. Karazana tsy fahatomombanan’ny hisatra na « frein » no noheverina fa nahatonga ny loza, kanefa dia nisy ihany rehefa voaarina ka nojerena, hoy ny mpikambana ao amin’ny tarika nitantara ny zava-misy. Efa matetika ahitana lozam-pifamoivoizana mampivarahontsana no nisehoan’ity tranga ity, eo amin’ilay toerana efa nanamboarana tanambokovoko, izay efa malaza ratsy amin’ny loza tsy ampoizina. Asa misy lolo araka ny firesaky ny olona ve ? Tsy nampoizina ny tranga, ka naneho fialan-tsiny ho an’ireo mpijery ny tarika na eo aza ny fifanarahana efa vita satria tsy ho tratra ny ao anatin’ny herinandro. Ny vahaolana, handefa mpihira hanolo azy ireo. Mankahery ny tarika sy mirary fiononana feno ho azy ireo sy ny fianankaviana manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT