Nifanehitra tamin'ny kamio

Mpandeha moto roa


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2026

niara-maty teny amin'ny RN7

Mitombo isan'andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fitaingenana moto eto amintsika. Olon-droa nitaingina moto indray omaly Alahady 16 Aogositra atoandro no maty tsy tsa-drano rehefa nifanehitra tamin'ny kamiao lehibe iray. Tao Avaratr’Ilempona, Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito no nitrangan'izany. Namoy ny ainy teo noho eo ireo olon-droa ireo hoy ny vaovao. Lehilahy avokoa izy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Nisongona fiara 4x4 iray teo alohany izy ireo. Tsy tazan'ilay mpamily anefa fa nisy kamiao iray lehibe niandry azy tao aloha tao, antony nahatonga ny loza. Mafy dia mafy ilay fifandonana hoy ireo nanatri-maso. Nipitika tamina toerana roa samihafa mantsy izy roalahy namoy ny ainy raha potika ihany koa ilay moto. Anatra ho an'ireo mpitondra moto tsy ampy fitandremana sy mandeha mafy ity tranga ity. Lahitokana mantsy ny ainy. Ankoatra izay an'ny rehetra ny arabe fa tsy an'olon-tokana noho izany tokony ho mailo hatrany eny am-pandehanana eny.
Nangonin'i Pati


Légende : Nizara roa tahaka izao ny toerana nisy ireo namoy ny ainy!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT