Fifamoivoizana

Nidofotra tamin’ny hazo ilay fiara Olona 7 no maty tany Manakara


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Olona miisa 7 be izao no indray namoy ny ainy tany Manakara vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Manakara omaly.

Tany amin’ny 10 km mialohan’ny hidirana ny tanànan’I Manakara no niseho ny loza omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Fiara tsy mataho-dàlana marika Toyota ity tra-doza ity, ka heverina ho fivoan-dalana no fototry ny loza. Nidona tamin'ny hazo ilay fiara ka potika tanteraka ny aloha. Voalaza fa, avy namonjy fotoam-pivavahana tany Vohipeno ireo olona tao anatiny. Mpitsabo roa, mompera sy masera ary olon-tsotra iray no namoy ny ainy. Avy amin'ny Fondation Médicale Ampasimanjeva izy ireo, raha ny fanazavana. Maty teo noho eo izy ireo, raha toa ka tany amin'ny hopitaly no namoy ny ainy ny olona roa hafa ary mbola manaraka fitsaboana ny rmpandeha roa hafa, raha ny vaovao avy tany an-toerana. Matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tahaka izao rehefa faramparan’ny taona noho ny fitomboan’ny fifamezivezena, ny haratsian-dàlana, ny fandehanana mafy,… ka entanina hatrany ny rehetra ho mailo sy hitandrina na ho an’ny ara-teknikan’ny fiara na ho an’ny fomba familiana. Mirary fiononana feno kosa ho an’ny fianakaviana namoy ny havana aman-tsakaiza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT