Nisy fidinany 200 Ar isaky ny litatra ny vidi-tsolika nanomboka omaly 1 jolay 2025.
Midina ho 4 900 Ar/L ny gazoala raha 5 100 Ar/L teo aloha, ary lasa 5 320 Ar/L ny lasantsy SP 95, raha 5 520 Ar/L teo aloha. Ho an’ny solika fandrehitra na « pétrole lampant » kosa dia fihenam-bidy 50 Ar no hita, ka lasa 3 380 Ar/L raha 3 430 Ar taloha. Efa fantatra tany amin’ny volana mey izay nisy fiakarana teo amin’ny 200Ar io, ary nampidinina kely 70Ar ny volana jona, ary io niampy fidinana 200Ar io ny volana jolay. Ny vidiny 2 volana lasa na M-2 no mitondra ny vidiny amin’ny volana hitsahina araka ny fanintsiana mandeha ho azy, tafiditra amin’ny paikady iarahana amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI), natao hisorohana ny fatiantoka amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy hifanaraka amin’ny fiovaovan’ny tsena iraisam-pirenena. Lojika ny fidinany ankehitriny satria tany amin’ny volana mey, dia nampidina be ny vidiny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanambarana nataon’ny OPEP+ fa hampitomboana haingana ny famokarana amin’ny volana jona, na dia efa ambany be aza ny vidiny amin’izao fotoana izao. Nidina ny vidin'ny barila iray avy amin'ny 85$ ho 74$ teo ho eo teo anelanelan'ny febroary sy mey 2025. Arakaraka izay ve anefa ny fidinany ankehitriny eto amintsika io ? Tsy tena misy fiantraikany lehibe mivantana ho an’ny Malagasy izay heverina fa noho ny mbola fisiana rafitra fanaovana « compensation » ataon’ny fanjakana amin’ireo mpandraharaha mpanafatra solika ?
TSY TOKONY HISY FIANTRAIKANY NY ADY TANY ISRAEL SY IRAN
Somary niakatra 77-81 dolara tao anatin’ny fanombohan’ny adin’i Iran sy Israel fa niverina amin’ny laoniny 66-74 dolara tamin’ny faran’ny volana jona. Tsy nisy rahateo ny sakana na ankivy nataon’i Iran tao amin’ny Détroit d’Ormuz izay tsy maintsy andalovan’ireo sambo mpitondra solika avy any Moyen Orient, ka ny antsika izay vidiana any Oman dia mandalo eo. Mampametra-panontaniana anefa hoe : hanao ahoana izany ny vidiny eto amin’ny aogositra na septambra ? Teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tany amin’ny janoary no isan’ny ambony indrindra hatreto vidin-tsolika. Ny janoary 2025: 82 dolara/barila, febroary: 85 dolara, martsa: 81 dolara, aprily: 78 USD, mey: 75 dolara, jona: 74 dolara. Midika izany fa ambany na antoniny ny vidin-tsolika iraisam-pirenena, ka heverina fa tsy tokony hiantraika be amin’ny vidin-tsolika manaraka ny ady tany Iran sy Israel izay efa tonitony raha tsy sanatria hoentin’ny Fanjakana hanararaotana vahoaka indray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.