Fifamoivoizana

Niaiky ny Foibe fitsarana fiarakodia “Betsaka ny fiara ratsy mbola miasa”


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Nanambara ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) omaly alarobia 10 aprily fa hanatanteraka hetsika fandraisana anjara mba hieren-doza ny Paska amin’ity taona 2019 ity.

 

 

 Nilaza izy ireo fa efa nisokatra ny ivontoerana fitsarana fiarakodia rehetra manerana ny nosy nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo ary hitohy hatramin’ny sabotsy roa ho avy izao izany ankoatra ny andavanandro efa mahazatra. Tanjona ny ahafahan’ireo tsy afaka manao fitsirihana ara-teknika (visite technique) andavanandro nefa handeha hitsangantsangana amin’ity Paska ity. Izany no atao mba hisorohana ny loza ary fantatra ihany koa fa maro ny Malagasy tsy mba mieritreritra hanamboatra fiara mihitsy raha tsy hanao fitsirihana. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fidinana tampoka manomboka ny 16 aprily ho avy izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba ho fanatsarana ny fifamoivozana sy ny fahatomombanan’ny fiara. Tsy voatery hanakana ny tompon’andraikitra fa mety eny am-panaovana lasantsy na eny amin’ny toeram-piasana sy fiantsonana eny no mitaratra ny fiara. Rehefa misy zavatra tsy tomombana dia sintonina avy hatrany ny taratasy ary soratana ao ny tsy fahatomombanana ka hijanona tsy hiriaria na hiasa ny fiara mandrapahavitan’ny fikarakarana ny tsy mety. Rehefa izay dia miverina jerena aty Alarobia manao fitsirihana na contre visite izay marihina fa tsy misy vola aloa raha tsy aorian’ny 2 volana vao mandalo. Atao izany rehetra izany satria tsikaritra fa maro loatra ny fiara tena efa ratsy nefa mbola miasa sy mivezivezy eny rehetra eny. Tsy vitsy, hoy ny tompon’andraikitra ny efa  azo sary sy laharana fa mbola entanina ihany koa ny rehetra hiantso ny laharana 034 77 777 03 hampandre raha mahita fiara tokony harahi-maso noho ny faharatsiany sy ny fahasimbany.

Tsirinasolo

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT