Fifamoivoizana

Natoritory ny teleferika Nambara fa efa ho avy ny “train urbain”


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Nitondra teny sy nanome toromarika momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny Filohan’ny Repoblika nialohan’ny nandihana ireo lahadinika tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly.

Nanamafy ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ny vahoakan’Ikongo. Nivoitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra kosa ny hirosoana amin’ny fanaovana fifanarahana mivantana amin’ireo orinasa hamatsy fitaovana sy hanatanteraka ny asa izay tafiditra ao anaty ny fanatanterahana ny fametrahana ny « Lamasinina an-tanàn-dehibe » na « Train Urbain » eto Antananarivo izay Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny hamerenana ny sidina mampitohy ny nosy Sainte-Marie sy ny nosy La Réunion, izay hanomboka ny sabotsy 17 septambra ho avy izao. Nambara fa efa mipetraka ao amin'ny seranantsambon’i Toamasina ny ampahany amin’ny lamasinina. Tsy voafaritra mazava kosa io na hanofa fiaramanidina na ilay raopilanina nampanantenain’ny Filoha… Nankatoavina ny fifanarahana mivantana ifanaovan'ny Fanjakana malagasy sy ny orinasa ARTERAIL izay mpamatsy izany lamasinina izany. Somary adino indray tato ho ato ny teleferika, ary nofohazina ny “train urbain” ao anatin’izao toe-draharaha mafana izao. Mitovy tahaka izany ihany koa ny ampahan'asa izay mifandraika amin'ny fametrahana herinaratra amin ny lalamby sy ireo ampahan asa mitandraika amin ny famatsiana sy fametrahana ireo fitaovana sy kojakojan-dalamby isan-karazany, toy ny lalamby, ny fitaovam-pamantarana (signalisation ferroviaire). Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanomezana sy/na hanavaozana ny fahazoan-dalana manafatra « Iubrifiants » ho ana orinasa miisa folo (10): ENELEC, U.Co.DIS, Manambitana, Design Auto, Alpa, Din Auto, Imexport International, Liqui- Moly, Ocean Trade ary Vima Oil Gas. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin'ny fanafarana entana izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa « Promotion de l'Electrification Rurale par des Energies Renouvelables » (PERER)
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT