NANISANA

Fiara Sprinter iray nirehitra, iray hafa voakasika


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Fiara iray no nirehitra tampoka teny Nanisana ny alin’ny 02 may hifoha 03 may teo.

Naharay antso ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 11ora sy 24 mn alina fa misy fiara sprinter « bus 186 » may eny Nanisana akaikin’ny EPP. Niomana avy hatrany ary nalefa ny fiarabe mpamono afon’Andravoahangy taorian’izany. Noho ny fahasarotana dia niantso "renfort" izy ireo ka nalefa nanampy tosika ny avy ao Tsaralalana. Naharitra ora iray sy 20mn vao maty tanteraka ny afo. Nisy ihany koa fiara golf iray izay voakasiky ny afo ny ilany havia. Tsy mbola fantatra moa izay antony nahatonga ny loza. Manentana hatrany ny amin’ny fitandremana ny Vondron’ny mpamonjy voina manoloana izany. Ankoatra ny trano mantsy dia mety hirehitra amin’ny fotoana rehetra ihany koa ny fiara ka tokony ho mailo hatrany ny tompony na ireo mitondra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famonoana ny afo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT