Fifamoivoizana

Nandratra sy nahafaty olona Karohana ilay mpamily taksibe 162


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Tena misy amin’ireo taxibe no manao ny hataony. Ankoatra ny fanaovana tsinontsinona mpandeha na dia efa niakatra aza ny saran-dalana dia

misy ihany koa ireo mahavita mandona sy mamono olona mihitsy toy ity taksibe iray 162 nentin- Rakotoarimanana Lucien Moria Nathanael ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nandona mpandeha an-tongotra miisa 3 izy io ka naratra mafy avokoa ireto farany. Mbola nandona mpitondra moto iray ihany koa ity taxibe ity taorian’izany ka tsy tana ny ain’itsy voalohany noho ny dona mafy nahazo azy. Teto an-drenivohitra no nisehoan’izany. Tsy mba fanetren-tena ihany anefa ilay mpamily fa mbola lasa nandositra ka namoahan’ny Polisim-pirenena fikarohana sy ombay mitady. Mbola tsy hita izy io hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Azo hatao araka izany ny miantso ny laharan-tarobia 034 05 517 24 ho an’ireo izay mahita na mahafantatra ity mpamily hita amin’ny sary ity. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpamily namono olona nefa nitsoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT