Malagasy 2, karana 5 saika ho any Dubai no noahiahiana ho nikotrika trafikana volamena teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato alarobia lasa teo.
Efa navoakan’ny fampahalalam-baovao iray moa ny anaran’io depiote noahiahiana io omaly. Ny Fitondram-panjakana no nandrara ny fivoahan’izy ireo hivoaka an’i Madagasikara, ary nanaiky izany ny Kaompania Ethiopian Airlines, raha ny nambaran’Atoa Biniyam Demssie, tale jeneralin’ny Ethiopian Airlines Madagascar omaly. Isan’ny nampiahiahy ny mpitandro filaminana io depiote io satria kely entana indrindra, izay fanaon’ireo mpanao trafika. Voatery nosavaina avokoa ny mpandeha rehetra tao anatin’ny fiaramanidina, ka ny Ministeran’ny filaminana anatiny sy ny zandarimariam-pirenena no nanao ny fisavana. Voalaza fa tezitra mafy sy nisafaoka ity depiote ity. Tsy afaka niondrana mihitsy noho izany ireo olona 8, ary nihemotra ny sidina satria tokony hiainga tamin’ny 2ora tolakandro, saingy tamin’ny 5ora hariva vao tafahainga. Sidina fampodiana izay fanao, ary ara-dalàna. Nilaza ny Kaompania, fa tsy mandefa sy tsy mampiditra mpandeha tsy manana alalana avy amin’ny governemanta Malagasy. Tsy misy olona afaka mivoaka na miditra eto, raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Fanjakana, hoy ny Ethiopians Airlines. Isan’ireo mpandeha moa ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ny depiote Andry Ratsivahiny izay handeha ho any Zambie hiatrika ny lalaon’ny Klioba CFFA Andoharanofotsy, ary afaka nandeha rehefa avy nosavaina. Ny governemanta Malagasy no nanao ny fisavana sy ny fanajanonana ireo mpandeha, izay hajain’ny Ethiopians Airlines. Fanindroany no nisian’ny toy izao tamin’ny Ethiopian Airlines, ary manomboka izao dia tsy maintsy maka fahazoan-dàlana avy amin’ny governemanta ireo olona mivoaka, tohizana ny fangatahana fahazoan-dàlana ho an’ny olona mivoaka, ary hanaraka foana izay voalazan’ny governemanta, hoy ny kaompania. Raha misy ny ahiahin’ny Fanjakana momba ny olona izay hivoaka, dia tsy maintsy harahina. Zotra mivantana Antananarivo-Addis Abeba moa no ataon’ny Ethiopian Airlines, ary avy ao indray ireo mpandeha no mandray sidina hafa toy ny mankany Dubai. Raha toa ka efa tsy misy tohiny ny raharaha trafikana volamena 73,5 kg dia io indray fa misy ahiahy, ary manampahefana ao anatin’ny antokon’ny fitondrana no voatonontonona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.