Fifamoivoizana

Nanao “randonnée” tany amin’ny RN1 Mpitondra moto iray maty tsy tra-drano


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny làlam-pirenena voalohany na ny RN1 omaly alahady atoandro.

Mpitondra moto iray no tra-doza teo amin’ny PK 95 eo Igararana ka maty tsy tra-drano. Voalaza fa nanao “randonnée”, niaraka tamin’ny namany mitondra moto maromaro izy io, ka efa dify lavitra ireo namany moa izy tra-doza nidona tamin’ny “balise” teo amin’ny sisin-dàlana. Tsy hitan’iretsy lasa aloha noho izany, fa niharan-doza ary maty tsy tra-drano ity mpitondra mpanamory namany. Nentina tany amin’ny Hopitalin’i Miarinarivo ny faty tamin’ny ora nanoratanay, ka nomena toromarika hamonjy io toerana ireo mahafantatra azy. Mila manana fahamailoana hatrany ny mpampiasa làlana satria tsy ananam-piry ny aina, ary ny loza tsy mampiomana.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT