Fifamoivoizana

Nampiakatra saran-dalana tsy lera Nosamborina ilay mpamily sy ny mpanampy azy


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Fitateram-bahoaka iray ao amin’ny zotra F mampitohy an'Ampefiloha sy Anjomakely no nampiakatra saran-dalana rehefa hariva ny andro.

Tsy vitan'ny mampiakatra saran-dalana ity farany fa sady mampiasa seza volamena no mbola avo vava amin'ireo mpandeha ary milaza fa: " izay tsy mahatakatra ilay saran-dalana dia mahazo mivoaka fa maro ny olona te-handeha" . Nahazo antso tamina mpandeha iray tamin'ity zotra ity ny Polisy ka voasakana tetsy Iavoloha ilay fiara saingy tsy nety nijanona fa nirifatra nandositra ihany. Niroso tamin'ny fisamborana ilay mpamily sy resevera ny Polisy ka ny maraina ihany dia tratra ireto farany. Tamin'ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa voasambotry ny Polisy noho ny fitsoahana Polisy izy roalahy ireto volana vitsivitsy izay ka izao tratra fanindroany izao indray. Misimisia ny fanenjehana hataon’ny polisy amin’ireo taxibe mampijaly vahoaka tahaka izao. Ankoatra ny zotra F mantsy dia zotra maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany koa no manao izao fihetsika izao ka anisan’ireny ny ao amin’ny zotra G.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT