Fifamoivoizana

Namontana Maty nodomin’ny Taxibe ilay mpikotrana vao maraina


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Lehilahy iray manodidina ny 55 taona omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora no maty voahitsaky ny taxibe teo amin’ny làlana Rabotovao sy Rakotoarisoa Bernard akaikin’ny fiolanana etsy Soanierana miazo an’i Namontana.

 Raha araka ny fantatra dia nanao fanatanjahantena vao maraina Itompokolahy no voahitsaka tampoka. Nihazakazaka avy any amin’ny sisin-dàlana mantsy izy no nianjera ka sendra ny fandalovan’ilay taxibe. Ny kodiarana aoriana havia no nanitsaka azy, antony namoizany ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Efa nentina namonjy ny tranom-paty etsy amin’ny hopitaly HJRA moa ny razana. Ny mpamily sy ilay fiara taxibe kosa dia mbola notazomina natao famotorana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT