Fifamoivoizana

Namakia Antsiranana Kamiao tratra nitatitra saribao sy hazo tsy misy taratasy


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Kamiao iray no tratran'ny zandarin'ny BPR nitatitra arina na saribao fandrehitra 86 gony, niampy hazo am-polony izay samy tsy misy taratasy avokoa tao Namakia, Antsiranana ny fiandohan’ny herinandro teo.

Tsy vitan'izay fa mbola nitondra mpandeha 11 be izao ihany koa ity kamiao ity izay voalaza fa tsy minday pasazy. Ireo vita ihany fa ny tena loza dia fantatra ihany koa fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana hamily fiara ilay mpamily. Voatery nogiazana ilay kamiao vokatr’izany raha nampahafantarina ny lalana tokony ho fantany ihany koa ilay mpamily ka anisan’ireny ny tsy fahafahany mitondra fiara raha tsy manana taratasy fahazoan-dalana izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ilay saribao tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT