MPONIN’ITAOSY

Nihitsoka tany Analakely omaly, tsy nisy taksibe 133 tonga


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Mafy ny nahazo ireo mponin’Itaosy niandry taxibe ao amin’ny zotra 133 teny Ambodifilao omaly Alarobia 04 Desambra folakandro.

Lany ora iray mantsy ny mpandeha niandry taxibe iray izay tsy nisy mihitsy nefa ny andro tena nafana. Nanampy trotraka izany ny fahateren’ny toerana niandrasana taxibe noho ny hamaroan’ny olona nifamezivezy amin’izao fiandohan’ny volana Desambra izao. Raha araka ny fantatra dia noho ny asa fanamboaran-dalana eo Ampefiloha hiditra hiazo an’ny Petite Vitesse no antony nahakamo ireo taksibe 133 niditra tany Analakely. Zaran’izy ireo aza nisy io tranga io nahafahany niodina teny Ampefiloha. Toraka izany koa ny fisian’ny fizaran-javatra nataon’ny fanjakana teny amin’ny ANS Ampefiloha izay niteraka fitohanana goavana tsy hita nopesipesenina teny amin’iny faritra iny omaly. Vahoaka tsy toko tsy forohana no tonga teny omaly nandray ireo karazana PPN izay voalaza ho ao anatin’ny tetikasa Mifampitsimbina anefa tetika hakana ny fon’ny vahoakan’Antananarivo amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Voatery nivoaka nandeha dia an-tongotra nivoaka teny Ampefiloha ny ankamaroan’ireo mpandeha vokatr’izany. Nisy tamin’ireo taxibe 133 ihany moa no nambaran’ireo mpandeha fa nandray olona tany Tsaralalana ary naka saran-dalana hatrany amin’ny 1.000 Ar ho an’ireo tena maika hody.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharana taksibe 133 teny Ambodifilao omaly folakandro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT