Fifamoivoizana

Mponin’Ambohipo Nanome soso-kevitra iadiana amin’ny fitohanana eny Ambanidia


  • Zoma 05 Martsa 2021

Eo Ambanidia irery ihany no hany lalan-tokana hivoahan’ireo mponina avy any Ambohipo rehefa hivoaka izy ireny.

 

 

Anisan’ny toerana tena tery anefa ny eo Ambanidia no sady be fitohanana, hany ka tara lava ny mponina isan’andro, indrindra fa ny mpianatra sy ny mpiasa. Nahita hevitra izy ireo araka izany hamahana ny olana ka nanolotra izany ho ren’ny fitondram-panjakana mba ho tombontsoan’ny mponina. Hangatahin’izy ireo ny hanokafana ny vavahadin-dalana toy ny eo amin’ny Ravitoto izay azo vakiana tsara. Azo hatao ihany koa hoy ny Raim-pianakaviana iray ny manokatra ny lalana ao ambonin’ny barazin’ny orinasa JIRAMA eny Mandroseza sy ny lalana avy eny Ambohimanambola mivoaka ny By pass…Ny hialana amin’ny fitohanana lavareny eny Ambanidia isan’andro no tanjona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT