Fifamoivoizana

Mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana Very fanahy mbola velona, nisy nivaro-pananana


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Very fanahy mbola velona tanteraka ny ankamaroan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana amin’izao fotoana.

Efa nanomboka maina mantsy ny tsena hatramin’ny nialan’ireo zotra mihazo ny lalam-pirenena voalohany teny an-toerana raha ho avy tsy ho ela ihany koa ny fifindran’ireo taksibrosy mihazo ny lalam-pirenena fahafito ho eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao Ambohimangakely. Nisy tamin’izy ireo anefa  no niala tany ambanivohitra nivaro-pananana iray manontolo mihitsy ary nanorim-ponenana eto an-drenivohitra mba hivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana. Nisy koa ireo nindrana vola tamin’ny banky ary tsy vita hatramin’izao ankoatra ireo niala tamin’ny asany mahazatra  ka nanatevina ny asa fivarotana sitrany ahay.  Ampahany amin’izany ireto nanaiky niresaka taminay ireto.

 

Fara, renim-pianakaviana niteraka roa : Ny anay izao ny vola nindramina tany amin’ireo mpampindram-bola no tena olana. Tsy maintsy nila volabe mantsy tamin’ny fananganana ny tsena sy ireo entana hamidy. An-tapitrisany no nalainay tany.

 

Haja, raim-pianakaviana niteraka efatra :  Tsy maintsy hiverina hody ihany angamba izahay hamboly. Raha vao tonga any anefa dia hanjary ho mpanofa trano satria efa tapitra namidy avokoa ny fananana rehetra tany nivarotana ety amin’ny Fasan’ny Karana.

Tsiahivina moa fa tsy mbola fantatra izay mety ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana mikasika ity tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT