Fifamoivoizana

Mpitora-bato ao Brickaville navotsotry ny fitsarana Manambana ny hitokona ireo mpitatitra amin’ny RN2


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Lasa miteraka olana goavana eo amin’ny zandary sy ny mpitatitra ary ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, ilay raharaha nahazoan’ireo mpitora-bato ao Brickaville fahafahana vonjy maika taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny alarobia 22 novambra teo.

Tamin’ireo 11 tratran’ny zandary mantsy dia ny 06 ihany no nahazo famonjana vonjy maika, ny 05 izay nahitana ireo mpanafina azy ireo sy mpijery ny fiara torahina ary ireo mianadahy mpanarama 15.000 ariary isan’olona ireto mpitora-bato araka ny fijoroana vavolombelon’ireo mpitora-bato nofonjaina vonjy maika, dia nohafahan’ny fitsarana avokoa ka izy ireo indray no mandrahona ny mpiara-monina azy fa hoe nanoro azy ireo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Vokatra izay dia tena tsy faly tamin’ny nataon’ny fitsarana ny zandary sy ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena faha-02, satria nandritra ny fisamborana sy ny fanadiadiana natao tamin’izy ireo dia sahin’ity vehivavy tena lehiben’ny mpitora-bato izay isan’ny mpanarama azy ireo ny mitrerona sy mandrahona ireo zandary misahana ny raharaha; noho izany ho fiarovana ny fananana sy ny mpandeha ary ny entan’ny mpanjifa, dia manambana ny hitokona hanairana ny sain’ny fitsarana sy ny fanjakana dia hanao fitokonana faobe tsy misy hiasa anatin’ny fotoana tsy voafetra ireo mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-02 ny amin’ity herinandro ity. Ny zandary raha teo nilaza fa raha misy ny zava-mitranga amin’ny lalam-pirenena faha-02 ao Brickaville dia tompo-marika amin’izany ny fitsarana, satria noho ny tsy fahafahan’ity vehivavy ity sy ilay tovolahy mpiaraka aminy manao ny asa ratsin’izy ireo amin’ny famakiana kaontenera amin’ny lalam-pirenena faha-02 entina hanaratsiana ny zandary sy ny mpitondra fanjakana ao Brickaville, no antony mahatonga azy ireo manao herisetra mitora-bato amin’ireo fiara hafa mandalo.

 


 

Rakoutou

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT